2Tantara 7:5 - DIEM PROTESTANTA5 Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Namono zavatra hatao fanatitra koa i Solomona mpanjaka, dia omby roa arivo sy roa alina, ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Omby 22.000, sy ondry 120.000, no novonoin’i Salômôna mpanjaka natao sorona. Toy izany no nanaovan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny fitokanana ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman-osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Namono zavatra hatao fanatitra koa i Solomona mpanjaka, dia omby roa arivo sy roa alina, ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra. Jereo ny toko |
Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.
Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»