Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:18 - Baiboly Katolika

18 Ary nametrahan’i Jôiadà mpitandrina ny tranon’i Iaveh eo ambany fifehezan’ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin’i Davida tao an-tranon’i Iaveh, hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain’i Davida hatao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’i Jehovah hofehezin’ny Levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao an-tranon’i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita* mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema.


Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.


Ary nasain’i Ekeziasa natolotra teo ambonin’ny ôtely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Iaveh, mbamin’ny feon-trômpetra, narahin’ny zava-manenon’i Davida mpanjakan’i Israely.


Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.


Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.


Nanendry ny mpisorona ho amin’ny raharahany avy izy, dia namporisika azy ireo hanao ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.


Nafindrany ny fiara mbamin’ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin’ny lay, ka ny mpisorona taranak’i Levì no nitondra azy.


Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.


Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra