Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 33:3 - Baiboly Katolika

Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona, izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ireo Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy ka nananganany alitara ho an’ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an’ireo Aserà; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy ka nananganany alitara ho an’ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an’ireo Aserà; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan’i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona, izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ireo Baala* izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy

Jereo ny toko



2Tantara 33:3
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin’ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin’ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny.


Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.


Naorina indray ny fitoerana avo noraran’i Ezekiasa rainy, nanangana ôtely ho an’i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon’i Akaba mpanjakan’i Israely, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny.


Nofoanany ny soavaly natokan’ny mpanjakan’i Jodà ho an’ny masoandro teo amin’ny fidirana mankao an-tranon’i Iaveh, akaikin’ny efitranon’i Natàna-Meleka eonòka, izay tanatin’ny fanampin-trano; nodorany tamin’ny afo ireo kalesy ho an’ny masoandro.


Dia nandidy an’i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin’ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan’ny tempolin’i Iaveh ny fanaka rehetra natao ho an’i Baala, sy i Astarte mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan’i Jerosalema any amin’ny sahan’i Sedrôna ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony.


Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.


Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.


Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.


Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.


Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.


Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.


Satria izy ireo nahafoy Ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an’ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan-tanany rehetra, dia nirotsaka amin’ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena.


Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.


Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy? Kanefa izy no ho tompon’ny asako rehetra, izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko tatỳ ambany masoandro. Zava-poana koa izany.


Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.


Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.


Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.


Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh, - nametraka ny fahavetavetany eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako mba handotoany azy;


Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’


Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano, eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh, sady mianiana amin’ny mpanjakany;


Fa nilaozan’Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra.


Aza anangananao asera, na hazo na inona na inona, eo an-danin’ny ôtely, izay hatsanganao ho an’i Iaveh Andriamanitrao.


ka lasa mankamin’andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan’ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao;


fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;