Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 33:4 - Baiboly Katolika

4 Nanorina ôtely teo an-tranon’i Iaveh izy, izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ho ao Jerosalema mandrakizay ny Anarako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 sady nanorina alitara tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ny anarako mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon’ny TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’ny TOMPO hoe: «Ao Jerosalema no hitoetra mandrakizay ny voninahitro.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon’ny TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’ny TOMPO hoe: «Ao Jerosalema no hitoetra mandrakizay ny voninahitro.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 sady nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah, dia tao amin’ilay nolazain’i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ny anarako mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 sady nanorina alitara tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’NY TOMPO hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ny anarako mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 33:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.


ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity anie ny masonao, dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny Anarako; ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’ity fitoerana ity.


Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Ka naorin’i Oriasa mpisorona ny ôtely, ary nataon’i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin’ny môdely nampitondrain’i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan’i mpanjaka avy any Damasa.


Notanterahin’i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian’i Akaza mpanjaka.


Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.


Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!


Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.


Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay.


Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanisiana sakamandimby hatao amin’ny trano nosimban’ny mpanjakan’i Jodà.


Hatramin’ny andro namoahako ny vahoakako tany amin’ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin’ny fokon’i Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an’i Israely vahoakako;


fa i Jerosalema no nofidiko hitoeran’ny Anarako, ary i Davida no nofidiko hanjaka amin’i Israely vahoakako.


Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh, - nametraka ny fahavetavetany eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako mba handotoany azy;


Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra