Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 33:5 - Baiboly Katolika

5 Nanorina ôtely teo amin’ny kianja roa an-tranon’i Iaveh izy, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa nanorina alitara maromaro teo anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’NY TOMPO izy ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa nanao alitara teo anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Jehovah izy ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Fa nanorina alitara maromaro teo anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’NY TOMPO izy ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 33:5
5 Rohy Ifampitohizana  

Noravany ireo ôtely teo ambony tafon’ny efitrano avon’i Akaza, nataon’ny mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny nataon’i Manase teo amin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh; ary avy eo izy dia nandeha faingana nanary ny vovoka avy amin’ireny tao amin’ny lohasahan’i Sedrôna.


Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.


Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra