Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:25 - Baiboly Katolika

25 Satria izy ireo nahafoy Ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an’ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan-tanany rehetra, dia nirotsaka amin’ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an’ireo andriamanitra hafa sady nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia haidina amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady nampanetona sorona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no hitosahan’ny fahatezerako amin’ity tanàna ity ka tsy mbola hitoniany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady nampanetona sorona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no hitosahan’ny fahatezerako amin’ity tanàna ity ka tsy mbola hitoniany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’izay rehetra nataon’ny tànany, dia haidina amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an’ireo andriamanitra hafa sady nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia haidina amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:25
24 Rohy Ifampitohizana  

Satria nafoiny Aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zana-manitra, hampahatezerany Ahy amin’ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin’ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina.


Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.


Nony hitan’i Iaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaiasa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy Aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin’i Jerosalema, amin’ny tanan’i Sesàka Aho.


ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.


dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.


Izao no holazainareo amin’ny mpanjakan’i Jodà, izay naniraka anareo hanontany amin’i Iaveh: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny amin’ny teny efa renao,


Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razany dia natolony ho eo an-tanan’i Nabokodonozora ilay Kaldeanina, mpanjakan’i Babilôna, dia noravan’izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka.


Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.


Ary hataon’ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.»


Miforà ho an’i Iaveh ianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian’ny ataonareo.


Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: «Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin’ny olona sy ny biby, amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»


Noho ny fahatezerany mirehitra notapahiny avokoa ny herin’i Israely; ny tanany ankavanana, nahemony teo anoloan’ny fahavalony; toy ny afo midedadeda no narehiny teo amin’i Jakôba, mandevona ny manodidina rehetra.


Nanenjan-tsipìka toy ny ataon’ny fahavalo Izy aty naninjitra ny tanany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra; ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso; tamin’ny lain’ny zanaka vavin’i Siôna naidiny toy ny afo ny fahatezerany.


Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siôna izy, ka levon’izany ny fanorenany.


Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako, noho ny ra nalatsany tamin’ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.


Tadiavo i Iaveh, dia velomy ianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin’ny taranak’i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, i Betela.


Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mitatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra