Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 26:6 - Baiboly Katolika

Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nivoaka izy ka niady tamin’ny Filistina, dia nandrava ny màndan’i Gata sy ny an’i Jabne sy ny an’i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko



2Tantara 26:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.


Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.


i Geta, i Maresà, i Zifa,


Ary nambosin’i Iaveh hamely an’i Jôrama ny sain’ny Filistinina mbamin’ny Arabo teo akaikin’ny Etiôpianina.


Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Tamin’ny taona nahatongavan’i Tartana nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy,


haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna; dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako; ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,» hoy ny Tompo Iaveh.


Miampità ho any Kalne ianareo ka zahao; avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe: midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina: moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo, ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?


Ny faritry ny tany nipaka amin’ny kisolosolo avaratr’i Akarôna, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrôna, nihazo amin’ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin’i Jebneela ary nihatra amin’ny ranomasina.


i Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zana-bohiny; i Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny zana-bohiny, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, sy hatramin’ny Ranomasina Lehibe izay fariny.


Nony azon’ny Filistinina ny Fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tany Eben-Ezera ho any Azota.


Ary niampatra namely ny Azôtianina ny tanan’i Iaveh ka nampiferin’aina azy; fa namely azy tamin’ny vay, tao Azota sy tao amin’ny faritaniny.