Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 6:2 - Baiboly Katolika

2 Miampità ho any Kalne ianareo ka zahao; avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe: midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina: moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo, ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mankanesa any Kalne hianareo, ka mijere, Dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midìna ho any Gatan’ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 6:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela, i Aràka, i Akada, ary i Kalane any amin’ny tany Senaara.


Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,


Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.


Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.


Ny olona avy any Babilôna nanao an’i Sokôta-Benôta, ny olona avy any Kota nanao an’i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an’i Asimà;


Aiza ny andriamanitr’i Etama sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima sy i Anah ary i Avah? Moa nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?


Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ny mpanjakan’ny tanàna Serfavaima, i Anah ary i Avah?»


Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.


Teny mamely an’i Damasa. Very hevitra i Hamata sy i Arfada, fa nandre filazàn-doza izy, ka nivarahontsaky ny tahotra, mova tsy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony.


Moa ianao tsara noho i No-Amôna izay nipetraka teo amin’ny ony, nohodidinin’ny rano, nanana ny ranomasina ho mandany, sy ny rano be ho tambohony?


Mbola niresaka amin’ireo rahalahiny eo i Davida, no inty ilay mpiady, Gôliata no anarany, ilay Filistinina avy any Geta nitsoaka avy eo amin’ny laharan’ny Filistinina, sy niteny tahaka ny teo aloha ihany ary ren’i Davida izany.


Tamin’izay dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistinina ity mpiady anankiray, Gôliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.


Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»


Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: «Hataontsika ahoana ity Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Aoka hafindra any Geta ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely»; ka nafindra tao ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra