Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 8:1 - Baiboly Katolika

1 Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nony afaka izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy; ary nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina ny fitondrana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’i Davida tamin’ny tànan’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 8:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nampandrenesina ny vahoaka rehetra fa hoe: «Indro ny mpanjaka fa mipetraka eo am-bavahady.» Dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Nandositra i Israely samy nankao an-dainy avy.


Ary i Jôaba sy i Abisaia nanenjika an’i Abnera ary tamin’ny nilentehan’ny masoandro izy no tonga teo amin’ny havoan’i Amah izay eo atsinanan’i Giaka, amin’ny lalana mankany an’efitr’i Gabaôna.


Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoakako Ianao, ary mitahiry ahy ho filohan’ny firenen-tsamihafa, ka manaiky ho mpanompoko ny vahoaka tsy fantatro.


Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.


Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.


ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran’olo-malaza ambonin’ny tany.


Torotoroiko tahaka ny vovoka entin’ny rivotra izy; ary ataoko mafafa tahaka ny fotaka eny an-dalam-be.


Fony izy niady tamin’ny Sirianina any Mesôpôtamia sy ny Sirianina any Sobà; sy tamin’ny niverenan’i Jôaba avy namely ny Edômita, tao amin’ny Lohasahan-tSira, ka nahafatesany roa arivo sy iray alin-dahy.


Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe: «Hientan-kafaliana aho! Hanana an’i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.


fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,


namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;


Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra