Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 8:2 - Baiboly Katolika

2 Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nandresy ny Moabita koa izy dia nampandriany tamin’ny tany ireo ary norefesiny tamin’ny kofehy, koa ny indroan’ny kofehy dia novonoiny ary ny iray kofehy kosa dia novelominy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ny tany ireo ary nohariny tamin’ny kofehy, ka izay indroan’ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 8:2
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin’ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin’ny famaky vy, ary nafindrany tamin’ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.


Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.


Nony maty i Akaba dia niodina tamin’i Israely i Moaba.


Niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria notafihina i Osea, ka tonga mpanompon’io nandoa hetra ho azy izy.


Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an’i Davida ny Moabita.


Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.


Ahy i Galaada, ahy i Manase; fiadiana aro lohako i Efraima, ary tehim-panjakako i Jodà;


Vao nandre Izy dia manoa ahy; ny zanaky ny hafa firenena dia mandoka ahy.


Tavin-drano fandroako i Moaba; anipazako ny kapako i Edôma; Mihobia ny voninahitro, ry tanin’i Filistinina!»


Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe: «Hientan-kafaliana aho! Hanana an’i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.


Miray fo avokoa izy rehetra mioko, manao fanekena hanohitra Anao izy,


Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;


Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.


Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.


Avy eo i Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin’ny mpanjakan’i Moaba hoe: «Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan’Andriamanitra ahy».


Dia nentiny ho eo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan’i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra