Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nivoaka izy ka niady tamin’ny Filistina, dia nandrava ny màndan’i Gata sy ny an’i Jabne sy ny an’i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.


Taorian’izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Gata sy ireo tanàna kely manodidina azy.


i Gata sy i Maresà ary i Zifa,


Dia notaomin’ny TOMPO hamely an’i Jôrama ny Filistinina ary koa ny Arabo izay mifanila amin’ny Kosîta;


Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.


Tamin’izay no taona nanirahan’i Sargôna mpanjakan’i Asiria ilay jeneralin’ny tafiny hanafika an’i Asdôda; dia namely ny tanàna izy ka nahazo azy.


Dia haringako ny mponina ao Asdôda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelôna; ary hahodiko hamely an’i Hekrôna ny tanako ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.»


Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!


Avy eo dia mandroso hatrany amin’ny ilany avaratry ny tanàna Hekrôna, ka mihodina ho any Sikarôna, mandalo ny tendrombohitra Bahala, dia mandroso hatrany Jabneela, ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea.


i Asdôda sy i Gazà samy miampy ireo tanàna kely sy zana-bohitra miankina aminy, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta sy hatrany amoron’ny Ranomasina Mediteranea.


Azon’ny Filistinina àry ny Vatamasin’Andriamanitra ka nentiny nankany Asdôda avy tao Ebena-Hezera.


Tsy zakan’ny mponin’i Asdôda ny famaizana nafitsoky ny herin’ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin’ireo mponina manodidina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra