Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»
2Tantara 13:7 - Baiboly Katolika Olona tsinontsinona, zanak’i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRôbôama zanak’i Salômôna. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra i Rôbôama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy koa, olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an’i Rehoboama, zanak’i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. DIEM PROTESTANTA Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. Malagasy Bible Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. La Bible en Malgache Nisy koa, olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an’i Rehoboama, zanak’i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. |
Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»
ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»
ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.
Rehefa hitan’i Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka: «Manana anjara inona amin’i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely, fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao!» Dia samy nody ho any an-dainy avy i Israely rehetra.
Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka. 41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.
Olona adala sy taranaky ny tsy misy hajany ireny, ka roahina amim-panesoana amin’ny tany onenana.
Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olona fandainga aho; tsy miara-mandeha amin’ny olona manao an-kifonofono;
Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!
Fa velom-pialonana kosa ny Jody, ka namory olona ratsy fanahy tamin’ny faikan’olona, ary nony tafavory betsaka izy ireo, dia nampitabataba ny tanàna. Nanodidina ny tranon’i Jasôna izy ireo nitady hamoaka azy roa lahy ho eo anatrehan’ny vahoaka.
Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.
Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,
Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.
Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jefte, ka nonina tany amin’ny tany Tôba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandeha izy.
Nomen’izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon’i Baala-Berita, ka nentin’i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy.
Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorîna, ny ananan’olon-trosa, ny manana alahelo rehetra, ka tonga filohan’ireo izy, ary nisy sahabo ho efajato lahy no teo aminy.