Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nisy koa, olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an’i Rehoboama, zanak’i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Olona tsinontsinona, zanak’i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRôbôama zanak’i Salômôna. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra i Rôbôama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nisy koa, olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an’i Rehoboama, zanak’i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:7
20 Rohy Ifampitohizana  

Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.


Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan’ny tanàna izy ka torahy vato ho faty».


Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.


Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara inona amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny taranak’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra! Ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao. Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.


I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.


Karazan’olona adala sy kentrina izy, ka noroahina tamin’ny kapoka mba hiala ny tany nonenany.


Tsy niray tsikombakomba tamin’ny mpisoloky aho na niara-dia tamin’ny mpihatsaravelatsihy;


Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay manao hevi-dravina kosa tsy ampy saina.


Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay mamboly hevidravina kosa ho voky fahantrana.


Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.


Ka hoy ny Tompo hoe: «Ankizy no hotendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany.»


Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.


Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olondehibe.


Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:


Fa maro tokoa, indrindra tamin’ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin’ny taria poaka àty.


Raha izay ela izay, dia tokony ho efa mpampianatra ianareo, kanefa dia mbola mila hampianarina indray ny abidim-pahalalana momba ireo tenin’Andriamanitra. Ronono no mbola ilainareo, fa tsy ventin-kanina.


Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin’ny faritanin’i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.


Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin’ny rakitry ny tempolin’i Bahala-Berita ho an’i Abimelèka izy. Izany vola izany no hividianan’i Abimelèka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.


Nitangorona teo aminy ny olona tokony ho efajato lahy, dia ireo olona sahirana sy ireo bokan-trosa ary ireo tsy faly; izy no tonga filohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra