Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon’i Jerôbohama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary ankehitriny ianareo dia mikasa hanohitra ny fanjakan’NY TOMPO, izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; ary marobe ianareo, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon’i Jerôbohama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ankehitriny hianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’i Jehovah, izay eo an-tànan’ny taranak’i Davida; ary hianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary ankehitriny ianareo dia mikasa hanohitra ny fanjakan’NY TOMPO, izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; ary marobe ianareo, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitady hevitra i Jerôbohama mpanjaka ka nanao ombilahikely volamena roa, ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: –Efa be izay niakaranareo matetika tany Jerosalema izay, ry Israely ô, koa indreo ny andriamanitrareo izay nitondra anareo niala tany Ejipta.


Ny sarivongana volamena iray dia napetrany tao Betela ary ny iray kosa tao Dana.


Fa ratsy kokoa noho izay vitan’ireo rehetra talohanao no nataonao, satria namboatra andriamani-kafa sy sarivongana voarendrika hampahatezitra Ahy ianao ary efa nanilika Ahy any ivohonao.


nanendry olona ho mpisorona manko izy hisahana ireo toeram-panasinana sy hikarakara ireo sarin’osilahy na ombilahikely izay sampy nampamboariny.


Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.


ka nivavaka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin’ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.


Hàlan’ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»


Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra