Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Noroahinareo ny tena mpisoron’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’NY TOMPO, dia ny taranak’i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo, tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa ianareo? Koa izay rehetra mitondra vantotra ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsy Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Noroahinareo ny tena mpisoron’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Tsy efa narianareo va ny mpisoron’i Israely, dia ny taranak’i Aarôna sy ny Levita, ary moa tsy nananga-mpisorona ho anareo va ianareo, toy ny firenen’ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron’izay tsy Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’i Jehovah, dia ny taranak’i Arona, sy ny Levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa hianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsi-Andrimanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’NY TOMPO, dia ny taranak’i Arona, sy ny levita*, ka nanendry mpisorona ho anareo, tahaka ny fanaon’ny firenena amin’ny tany hafa ianareo? Koa izay rehetra mitondra vantotra ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany dia izy no tonga mpisorona amin’ireo tsy Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Na teo aza anefa izany, dia tsy nanitsy fitondrantena i Jerôbohama, fa mbola nanendry olon-kafa ho mpisorona amin’ny toeram-panasinana hatrany izy; ka izay olona te hanao izany, dia natokany mba ho mpisorona amin’ireny toeram-panasinana ireny.


ary nodorany tamin’ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan’ny tanan’olombelona, vato aman-kazo ihany.


Iza àry, amin’izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin’ny TOMPO mba hanaovan’ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?


Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.


Ary niteny indray i Hezekià ka nanao tamin’ny vahoaka hoe: –Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an’ny TOMPO dia manatòna ary mitondrà sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon’ny TOMPO! Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.


«Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: –Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.


«Rehefa maty i Aharôna, dia hafindra amin’ny taranany ny fanamiana masina; ka ireo no hiakanjo azy amin’ny andro hanokanana sy hametrahana azy amin’ny raharahany.


«Mifanaraka tanteraka amin’ny torolalana efa nomeko anao no hataonao amin’i Aharôna sy ny zanany. Haharitra fito andro ny lanonana fametrahana azy amin’ny asany.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny Levita: –Androany dia voatokana ho amin’ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen’ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.


Moa ve nisy firenena efa nanova ny andriamaniny, nefa tsy andriamanitra akory ireny! Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.


Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.


Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.


«Any aoriana any, dia ny mpisorona izay voahosotra sy voatokana ho mpisorombe hisolo ny rainy no hanao ireo fombam-pivavahana famelan-keloka sy fanadiovana ireo; ny fanamiana masina, ireo fanamiana vita kiran-drongony fotsy, no hiakanjoany amin’izany;


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Kanefa hitanareo sy renareo izay ataon’ity Paoly ity: ambarany fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanan’ny olombelona; ary olona maro no voataonany, tsy eto Efeso ihany, fa saiky manerana an’i Azia.


Taloha anefa, fony tsy mbola nahafantatra an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamani-tsy izy;


ny nanolorany sorona dia lolo izay tsy andriamanitra akory sady andriamanitra tsy fantany, andriamani-baovao niseho tatỳ aoriana sady tsy nohajain’ny razany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra