Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa ny aminay kosa dia NY TOMPO no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO dia ny taranak’i Arona; ary ny levita koa dia manao ny raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa ny anay kosa: I Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy Azy izahay, ny taranak’i Aarôna no mpisorona manao fanompoana ho an’i Iaveh, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, dia ny taranak’i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa ny aminay kosa dia NY TOMPO no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO dia ny taranak’i Arona; ary ny levita* koa dia manao ny raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.


Noroahinareo ny tena mpisoron’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.


Toy izany no nanadiovako ny Jiosy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy namerenako tamin’ny laoniny indray ny fandaharana momba ny mpisorona sy ny levita mba samy ho amin’ny anjara raharahany avy.


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra