Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Nefa kosa Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Nisy koa ny fikomian’i Jerôbohama tamin’ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata, dia Efraîmita avy any Tseredà; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tserohà; ary izy dia mba mpanompon’i Salômôna saingy nikomy taminy. Fa tamin’ny fotoana nanaovan’i Salômôna ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin’ny mandan’ny tanànan’i Davida rainy,


Rehefa ren’ny Israelita tavaratra rehetra fa tafaverina indray i Jerôbohama, dia nampiantsoina hankao amin’ny fivoriana izy ka nampanjakainy tamin’i Israely avaratra manontolo; ary dia tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida intsony afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.


Fa raha mbola miakatra hanao sorona ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ny vahoaka, dia hitodika amin’i Rehabohama mpanjakan’i Joda tompony indray ny fony; ka hamono ahy ho faty izy ary hiverina any amin’i Rehabohama.»


Dia niaraka tamin’i Hezekià ny TOMPO, ka nampahomby izay rehetra nataony. Nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy ka tsy nety hofeheziny intsony.


Toy izany no nikomian’i Israely avaratra tamin’ny taranak’i Davida mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra