2Tantara 12:13 - Baiboly Katolika13 Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka. 41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA13 I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’i Jehovah tamin’ny firenen’Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. Jereo ny toko |
Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.