Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 12:13 - DIEM PROTESTANTA

13 I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka. 41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’i Jehovah tamin’ny firenen’Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 12:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Ankoatra ny zanakavavin’ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salômôna mpanjaka, dia vehivavy môabita sy hamônita sy edômita ary tsidônianina sy hetita.


Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an’i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.


Feno 41 taona i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna fony vao nanjaka tamin’i Joda; ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, dia ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny voninahiny. Ny anaran-dreniny dia i Nahamà, izay hamônita.


Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalànan’ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.


Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.


«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako.


Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»


Tamin’izany fotoanandro izany, dia novakîna ho ren’ny vahoaka ny teny raketin’ny bokin’i Mosesy; ka hita voasoratra tao fa ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra na oviana na oviana.


–Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.


Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.


Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao›. »


Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.


satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.


Ny zazasary dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy hahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra