Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 10:1 - Baiboly Katolika

Ary nankany Sikema i Rôbôama, fa efa nandeha nankany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy.

Jereo ny toko



2Tantara 10:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre.


Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Salômôna mpanjaka.


Ireo lehilahy mpiady rehetra ireo, izay samy nahay nilahatra hiady avokoa, dia tonga tao Hebrôna, tamin’ny fo mahitsy hanangana an’i Davida ho mpanjaka amin’i Israely rehetra: ary i Israely sisa rehetra koa, dia niray fo torak’izany hanangana an’i Davida ho mpanjaka.


Zanaka lahin’i Salômôna: i Rôbôama; i Abiasa zanany, i Asà zanany, i Jôsafata zanany,


Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an’i Salômôna mpanjaka,


Dia nody mandry any amin’ny razany i Salômôna, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida rainy, ary i Rôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.


i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà;


Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.


Novorin’i Jôsoe, tao Sikema, ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’i Iaveh izy ireo:


Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra: