Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny.
1Tantara 5:20 - Baiboly Katolika Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. DIEM PROTESTANTA Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra teo amin’ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. Malagasy Bible Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. La Bible en Malgache Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. |
Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny.
I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny.
Nony nahatazana an’i Jôsafata ny lehiben’ny kalesy, dia nanao hoe: «Iny tokoa ny mpanjakan’i Israely»; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy i Jôsafata.
Dia nobaboiny ny andiam-biby fiompin’ireny, rameva 50.000, ondry 250.000, ampondra 2.000, olona 100.000.
Fa be maty ny olona, satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary izy ireo no nonina nandimby an’ireny, mandra-pahatongan’ny fahababoana.
Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.
Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.
Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»
Nampian’Andriamanitra izy hamely ny Filistinina sy ny Arabo nonina tany Gora-Baala, ary ny Maonita.
Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy.
I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira.
Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -
Tsara fo i Iaveh; Fiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy. ary mahalala izay matoky Azy
Tsy nisy andro toy izany, na tany aloha na tatỳ aoriana, izay nihainoan’i Iaveh ny feon’ny olona anankiray, fa niady momba an’i Israely i Iaveh.
Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely.
Iray taminareo no nanenjika arivo fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo.
Fa naverin’i Saola indray ny olona nirahiny hizaha an’i Davida, ka hoy izy: «Ento mankatỳ amiko amin’ny farafara izy, hamonoako azy».
Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»