Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:39 - Baiboly Katolika

ka nankany amin’ny hadilalan’i Gadôra izy, hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, mba hitady tany fiandrasam-biby fiompiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy ireo, dia hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondry aman’osiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka nandeha nankany akaikin’i Gedôra, dia hatrany atsinanan’ny lohasaha mba hitady ahitra ho an’ny andian’ondriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nandeha nankany akaikin’i Gedôra, dia hatrany atsinanan’ny lohasaha mba hitady ahitra ho an’ny andian’ondriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondriny aman-osiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy ireo, dia hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondry aman’osiny.

Jereo ny toko



1Tantara 4:39
7 Rohy Ifampitohizana  

i Joela sy i Zabadià zanak’i Jerôhama avy any Gedôra.


Ilay vehivavy Jody vadiny anankiray, niteraka an’i Jareda, rain’i Gedôra, sy i Hebera rain’i Sôkô, ary i Ikotiela rain’i Zanôe. Ireo no zanaka lahin’i Betià zanaka vavin’i Faraôna, nalain’i Mereda ho vady.


Ireo lehilahy voatonona amin’ny anarany ireo, dia samy filohany amin’ny fianakaviany avy; nitombo fatratra ny fokom-pianakaviany,


I Fanoela no rain’i Gedôra, ary i Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efrata, rain’i Betlehema.


Dia nahita tany fiandrasam-biby lonaka sy tsara izy, tany malalaka, mandry feizay sy miadana; taranak’i Khama ny mponina tao fahataloha.


ny mpanjakan’i Dabira, iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;


i Halola, i Bety-Sora, i Gedôra,