1Tantara 29:15 - Baiboly Katolika Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany ka tsy misy fanantenana. DIEM PROTESTANTA Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana. Malagasy Bible Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana. La Bible en Malgache Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany ka tsy misy fanantenana. |
«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»
Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»
Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.
Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»
Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho Anao, ho an’ny Anaranao masina izao, dia ny tananao no iaviany, Anao ny zavatra rehetra.
satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona, ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,
Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà
Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako, aza dia tsy mihontsina amin’ny fitomaniako! Fa vahiny ao aminao aho, mpivahiny toy ny razako rehetra.
Azon’ny hatezeranao, dia foana avokoa ny andronay rehetra, hitanay mihelina toy ny feo malemy, ny taonanay.
Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?
Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.