Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Tantara 29:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany ka tsy misy fanantenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:15
22 Rohy Ifampitohizana  

Naharitra ela ny fivahinian’i Abrahama tao amin’ny tanin’ny Filistinina.


–Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.


Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.


Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan’ny biby fiompin’ny roa tonta.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.


Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.


Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra.


Fa ny olona kosa maty dia manjavona; ary aiza moa izy, rehefa miala aina?


Tahaka ny voninkazo izy, mora maniry nefa mora malazo; ary tahaka ny aloka ihany izy, mihelina fa tsy maharitra.


Tsy misy zava-pantatsika izay vao omaly, satria aloka mihelina vetivety ihany ny androm-piainantsika eto an-tany.


Noho ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao, dia ningainao aho ka natsipinao lavitra.


Vahiny eto an-tany aho; aza afenina ahy ny didinao.


Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany; ny androm-piainany toa aloka mihelina.


Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin’ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo. Fiatoana


TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko ary mandrenesa ny fitarainako; aza odian-tsy hita ny ranomasoko fa olona nasaina aho no eto aminao, mpivahiny ihany toy ny razako rehetra.


Noho ny haviniranao dia lasana ny androm-piainanay, ka indray misento monja dia nifarana ny taonanay.


Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin’ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin’ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin’ny tany aorian’ny fahalasanany.


«Ny tany dia tsy azo atao varo-maty, satria Ahy Tompo izany; fa vahiny sy mpivahiny eo amin’ny taniko ianareo.


Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.


Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra