Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
1Tantara 14:16 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatanteraka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida ka namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gezera. DIEM PROTESTANTA Dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. Malagasy Bible Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. La Bible en Malgache Dia nanatanteraka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida ka namely ny miaramilan’ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gezera. |
Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.
Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.
Tatỳ aorian’izany nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gazera. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai Hosatita, an’i Safaì isan-taranak’i Rafà, ka voaetry ny Filistinina.
Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
Tsy nandroaka ny Kananeanina nonina teo Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin’i Efraima mandraka androany ny Kananeanina, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.