Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jaona 2:5 - Baiboly Katolika

5 Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 2:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin’i Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejiptianina rehetra: «Mankanesa any amin’i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.»


Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.


Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.


Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»


Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.


ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy,


tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»


Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany natao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra