Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Eksodosy 8 - Baiboly Katolika

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Ahinjiro eo ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tananao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin’ny tany Ejipta ny sahona.»

2 Dia nahinjitr’i Aarôna tambonin’ny rano any Ejipta, ny tanany, ka niakatra nanenika ny tany Ejipta ny sahona.

3 Nanao torak’izany koa anefa ny mpanao ody tamin’ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin’ny tany Ejipta izy ireo.

4 Ary i Faraôna nampaka an’i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mangataha amin’i Iaveh mba hanesorany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako, fa halefako mandeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin’i Iaveh.»

5 Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:

6 «Ho amin’ny ampitso.» Dia hoy i Môizy: «Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’i Iaveh, Andriamanitray.

7 Hiala aminao sy ny tranonao ny sahona ary amin’ny mpanomponao sy amin’ny vahoakanao, tsy hisy tavela intsony, afa-tsy ny any amin’ny ony ihany.»

8 Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.

9 Ka notanterahin’i Iaveh ny hatak’i Môizy, fa maty avokoa ny sahona tany an-trano, sy teny an-tokotany, ary tany an-tsaha.

10 Natangongo tamin’ny toerana maro ireny, ary maimbo ny tany.

11 Nony hitan’i Faraôna anefa fa tsy nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.


3. Ny moka

12 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao an’i Aarôna hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran’ny tany Ejipta ireny.»

13 Dia nataon’izy ireo izany. Nahinjitr’i Aarôna ny tanany mbamin’ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran’ny tany Ejipta.

14 Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.

15 Ka hoy ny mpanao ody tamin’i Faraôna: Rantsan-tanan’Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino azy ireo Izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.


4. Ny lali-be

16 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.

17 Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro Aho handefa lali-be hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lali-be ny tranon’ny Ejiptianina mbamin’ny tany onenany.

18 Amin’io andro io anefa havahako ny tany Genesa onenan’ny vahoakako, fa tsy mba hisy lali-be ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan’io tany io Izaho Iaveh.

19 Hasiako fiavahana ny vahoakako sy ny vahoakanao; ary rahampitso no hisian’izany famantarana izany.»

20 Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.

21 Nampanalain’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo manolotra sorona amin’ny Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.»

22 Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?

23 Fa handeha lalan-kateloana any an’efitra izahay no hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.»

24 Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»

25 Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»

26 Vao niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nivavaka tamin’i Iaveh;

27 ary notanterahin’i Iaveh ny tenin’i Môizy ka dia niala tamin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lali-be ka tsy nisy tavela, na dia iray aza.

28 Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray i Faraôna tamin’izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra