Ry sakaiza, fantatro fa mahatsapa fahatezerana koa ianao indraindray. Tsy misy olona tsy mba tezitra, fa ny mahasarotra dia ny fitantanana izany fahatezerana izany. Mila mailo isika satria ny devoly no mampiasa ny fahatezerana mba hampanota antsika amin'Andriamanitra.
Rehefa tezitra isika ka tsy mahafehy tena dia hisy vokany ratsy foana izany. Marina fa Andriamanitra aza efa tezitra tamin’ny olombelona noho ny fahotany, nefa nomeny foana isika fahafahana hihavana Aminy. Aza hadinoina fa ny fahatezerana tsy voafehy dia manaisotra ny fitahian’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, sady miteraka ratram-po ihany koa.
Na rariny na tsy rariny aza ny antony mahatonga antsika ho tezitra, ny Soratra Masina ao amin’ny Efesiana 4:26-27 (Efes. 4:26-27) dia mampianatra antsika hoe: "Tezera, nefa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny devoly." Midika izany fa azo atao tsara ny tezitra, saingy tsy tokony havelantsika hitarika antsika hanota izany.
Mety ny mahatsapa fahatezerana rehefa mahita tsy rariny na koa rehefa misy maniratsira an’Andriamanitra. Kanefa, Andriamanitra no miteny amintsika hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly." (Rom. 12). Koa aoka isika hatoky Azy.
Ny fifandraisana akaiky amin’ny Fanahy Masina no tena zava-dehibe mba hahafahantsika mifehy ny fihetseham-pontsika. Mangataha aminy mba hameno ny fontsika amin’ny vokatry ny Fanahiny Masina, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, fahamarinana, fahalemem-panahy ary fifehezan-tena. Ireo no hanome hery antsika avy ao anatiny.
Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra.
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Izay malaky tezitra dia manetsika ady, fa izay mahatsindry fo no mampitsahatra fifandirana.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara ny ataonao, moa tsy ho miramirana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny ataonao dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka aminy!
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Ary NY TOMPO nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: NY TOMPO, NY TOMPO, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana,
Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe.
Mahari-po NY TOMPO sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Tany Horeba koa aza dia nampahatezitra NY TOMPO ianareo ka tezitra taminareo Izy ary saika nandringana anareo.
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, raha avy izay hahasolafaka ny tongony; fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy haingana ny zava-boatendry hanjo azy.
raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, ka voarain’ny tanako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony ary hovaliako ny mankahala Ahy.
Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.
Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Ianao ary niala tamin’ny fahatezeranao mirehitra.
Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany.
Izay entim-pahatezerana dia tsy maintsy mandoa ny simba amin’izany; fa raha afahanao izy dia mbola hanampy fahasahiranana ho azy indray ianao.
Voninahitry ny olona ny manalavitra ny fifandirana, fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin’ny vehivavy tia ady sady mora tezitra.
Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po, fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.
Masiaka ny fahavinirana ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?
Noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary hihovotrovotra any amin’ny fanorenany ny tany, noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany.
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO dia amin’ny Jentilisa rehetra ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fisafoahany; efa nodidiany hatao zavatra voaozona ireo ary natolony hovonoina.
Noho ny anarako dia mampitony ny fahatezerako Aho; ary mba hiderana Ahy dia manindry fo ny aminao Aho mba tsy hamongorana anao.
tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipy maso monja, fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy NY TOMPO, Mpanavotra anao.
Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay, fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny fofonaina izay nataoko.
Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Mandehana ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Israely mpikomy, hoy NY TOMPO; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho, fa mamindra fo Aho, hoy NY TOMPO, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
TOMPO ô, anaro aho, nefa araka ny fitsaranao ihany fa tsy amin’ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany.
Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo mba tsy ho azon’ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitry NY TOMPO.
Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
Toy izany no hialako fo aminao ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
Famaizana mirehitra no hoentiko manatanteraka famaliana lehibe aminy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
Amin’izany andro izany, dia ny andro hiavian’i Goga hamely ny tanin’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako. Fa amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’izany andro izany dia hisy horohoron-tany mafy any amin’ny tanin’ny Israely
Tsy hampirehitra ny hatezerako Aho na handringana an’i Efraima intsony satria tsy olona Aho fa Andriamanitra, dia ny Iray Masina ao aminao, ka tsy ho avy amin’ny fahatezerana mirehitra Aho.
Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
Dia nivavaka tamin’NY TOMPO izy hoe: Mifona aminao aho, TOMPO ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ny taniko? Fa ny tsy hisian’ny toy izao no nandosirako ho any Tarsisy satria fantatro fa Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka NY TOMPO; NY TOMPO dia mpamaly heloka sady feno fahatezerana; NY TOMPO dia mpamaly ny rafilahiny ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony. Mahari-po NY TOMPO sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka. Ao anatin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’NY TOMPO; ny rahona dia vovoka avy amin’ny dian-tongony.
Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra; koa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala; dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
Ry bibilava, ry taranaky ny menarana! Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny afobe?
Ary nibanjina azy ireo tamim-pahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony ka hoy Izy tamin-dRalehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ka sitrana ny tanany.
misaora izay manozona anareo; ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao iray dia atolory azy koa ny iray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
Ary raha hitan’i Jakoba sy i Jaona mpianany izany dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo? Fa nitodika Izy dia niteny mafy azy hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak’Olona tsy tonga hahavery ny ain’olona fa hamonjy azy.
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala tao amin’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary naparitany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatra; dia hoy Izy tamin’ny mpivarotra ny voromailala: Ento mivoaka any ireto zavatra ireto; aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana;
Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marina ataon’Andriamanitra,
Koa manoatra noho izany ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika ankehitriny!
satria mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao izy. Fa raha ratsy kosa ny ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, mpamaly hampihatra fahatezerana amin’izay manao ny ratsy.
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Fa matahotra aho, fandrao rehefa tonga aho dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo no hahitanareo ahy; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fifosana, fieboeboana, fikitranana;
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Aza mety fitahin’olona amin’ny teny foana ianareo fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny olona tsy mankatò.
Izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny taranaka tsy mankatò. Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika,
Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto;
Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako. Izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.7-11).
dia mametra andro iray indray Izy, na dia efa ela taorianan’izany aza, milaza amin’ny alalan’i Davida hoe: Anio, araka ny voalaza teo hoe: «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo» (Sal 95.7-8).
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36). Zavatra mahatahotra no ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany? Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao no mitsara ny namanao? E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra; kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona. Fa aleo miteny hoe: Raha sitrapon’ny Tompo ka velona izahay dia hataonay izao na izany. Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao soa dia heloka ho azy izany. Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina;
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.
Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, koa iza no hahajanona?
Tezitra ny firenena maro nefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany, tsy mitampoka, miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy!
Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny antsimbariny dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ary hitako fa indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nitana ny loza fito farany satria ireny no hoenti-manatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ary ny iray tamin’ny zavamananaina efatra dia nanome ny anjely fito, lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, izay velona mandrakizay mandrakizay.
Ary nandre feo mahery avy tao amin’ny tempoly aho niteny tamin’ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ny tany ny ao amin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko ary rava ny tanànan’ny firenena maro; ary i Babilona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany.
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy dia hitondra azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsakakitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.
Ary raha nisy tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.
Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa.
Indro, avy haingana Aho ary entiko miaraka Amiko ny valisoa avy Amiko, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.