Ry sakaza, tena manan-danja tokoa i Jerosalema eo amin'ny fanompoan'i Jesosy, na ho an'Andriamanitra na ho antsika zanany. Araka ny Testamenta Vao dia tany Jerosalema no nitondrana an'i Jesosy fony Izy mbola zaza kely mba hatolotra tao amin'ny Tempoly.
Noho izany antony izany, dia tokony hivavaka ho an'izany tany masina izany isika, araka ny voalazan'ny teniny hoe: "Mivavaha ho an'ny fiadanan'i Jerosalema; handry fahizay izay tia anao" (Salamo 122:6). Tena zava-dehibe ny hivavahantsika ho an'i Jerosalema, mangataka amin'i Jesosy mba hahatratra azy ireo ny famindram-pony ka ho tanteraka ao an-tanàna ny sitrapony.
Enga anie Izy hanokatra ny mason'izy ireo ara-panahy mba hiverenan'izy ireo amin'Andriamanitra tanteraka, ka hibaboka ny tsirairay ao fa i Kristy no Tompo. Enga anie izy ireo hahatakatra fa i Jesosy no nitondra ny sazin'ny fihavanantsika ka ho voavonjy amin'ny alalan'ny sorona nataony teo amin'ny hazofijaliana.
Ary isaky ny mivavaka ho an'i Jerosalema isika, enga anie ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo no hameno ny fontsika koa.
Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Fihirana. Salamon’ny taranak’i Kôre. Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran’ny hatsaram-ponao izahay, ao anatin’ny tempolinao. Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana Anao tonga hatrany am-para vazantany. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana. Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna, aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà, noho ny fitsarànao! Mandiava an’i Siôna ianareo; mandehana manodidina azy; isao ny tranony mimanda. Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy. Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no mpitarika antsika amin’ny taona mandrakizay. Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra, ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.
Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina. O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô, aza mitsahatra ianareo; ary aza avelanareo hitsahatra Izy, mandra-panangany an’i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.
Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.
Indro hataoko tokonana fanozongozona i Jerosalema ho an’ny firenena manodidina rehetra; ary ho an’i Jodà koa izany, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema. Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: i Jerosalema hataoko vato haingaina ho an’ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.
Nony inona, dia hoy aho tamin’izy ireo: «Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon’ny afo ny vavahady. Koa andeha hatsangantsika ny mandan’i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika.»
Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.
Izay rehetra sisa tavela amin’ny firenena niakatra namely an’i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, sy hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.
fa i Jerosalema no nofidiko hitoeran’ny Anarako, ary i Davida no nofidiko hanjaka amin’i Israely vahoakako.
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.
fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.
Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo; ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo; ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì. Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra, hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!
Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka hanadino tsy hahetsika ny tanako ankavanana!... Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako, raha mitsahatra ny mihevitra anao aho, raha tsy i Jerosalema no ataoko loha laharana amin’ny fifaliako!
Ary nony mby akaiky Izy ka nahita an’i Jerosalema dia nitomany azy nanao hoe: «Raha izay kosa mantsy ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.»
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony. Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany, hiharihary eo imason’ny firenena rehetra. Ary ny faran’ny tany rehetra, hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika. «Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh. Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!» Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra. Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, - no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny. Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao; mipetraha ianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin’ny vozonao, ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.
Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.
Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa i Iavehn’ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.
Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.
Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hoarîko: fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.
Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena; ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika».
Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
Homeko foko iray ny zanany mba hananan’i Davida mpanompoko, fanilo eo anatrehako mandrakariva, any Jerosalema izay tanàna voafidiko hametrahako ny Anarako.
Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, - teny marin’i Iaveh, - fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo - teny marin’i Iaveh. -
Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany, no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema; hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema amin’ny andro sabata, dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.»
Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.» Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa. Avy amin’ny mpisorona: i Idaiasa zanak’i Joiariba, i Jashina, i Saraiasa zanak’i Helkiasa zanak’i Mosolama zanak’i Sadôka zanak’i Meraiota zanak’i Akitoba, andriandahy amin’ny tranon’Andriamanitra, mbamin’ny rahalahin’ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: 822; i Adaiasa zanak’i Jerohama zanak’i Feleliasa zanak’i Amsỳ, zanak’i Zakaria zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa, mbamin’ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: 242; ary i Amasaì zanak’i Azreela zanak’i Ahazy zanak’i Mosolamota, zanak’i Emera, mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo. Avy amin’ny Levita: i Semeiàsa zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Asabiasa zanak’i Bonỳ; i Sabataỳ sy i Jizabada, anisan’ny lohan’ny Levita, tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra; i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna. Ary nisy 284 no totalin’ny Levita tao amin’ny tanàna masina. Ary ny mpiandry varavarana dia i Akoba, i Telmôna, mbamin’ireo rahalahiny, mpiambina ny vavahady: 172. Ary nisaoran’ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema.
Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy;
Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako, hatramin’ny andro nanorenany azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho ao anatrehako;
Indro fa tapitra ny dianay eto am-bavahadinao, ry Jerosalema. Ry Jerosalema, ianao voaorina toy ny tanàna, izay iraisan’ny zavatra rehetra.
Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin’ny tendrombohitr’i Siôna. Ka izany no ho vitan’ny zotom-pitian’i Iavehn’ny tafika.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreana ny rainao, ary Heteanina ny reninao.
Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh, hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony. Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy, eo amin’ny havoan’i Gareba, ka hasangodina ho any Gôà. Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana. Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra, mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna, ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh, ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.
sady miverina aminao amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atỳ amin’ny taniny izay nomenao ny razany, sy atỳ amin’ny tanàna voafidinao, ary atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,
I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra, ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.
Noho ny amin’i Davida anefa, i Iaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an’i Jerosalema.
Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: «ny seza fiandrianan’i Iaveh!» Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny Anaran’i Iaveh, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.
ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Hataoko izay handringanana ny firenena rehetra, tonga hamely an’i Jerosalema.
Toy ny andian’ondry masina, toy ny andian’ondry any Jerosalema, amin’ny fetiny lehibe, ny olona hanao andiany, hameno ny tanàna rava; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.