Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 44:26 - Baiboly Katolika

26 Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko Sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, Ary manao amin’i Jerosalema hoe: Honenana hianao, Sy amin’ny tanànan’i Joda hoe: Hatsangana hianareo, Ka hamboariko izay rava eo,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 44:26
53 Rohy Ifampitohizana  

Nivoaka namabo ny tobin’ny Sirianina ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan’ny famarana, araka ny tenin’i Iaveh.


Izany tokoa, satria raha niteny tamin’ny mpanjaka ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria,»


Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty.


Toy izany no nahatafapetraka azy tamin’ny tanànany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita, ny sarambabem-bahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, sy ny Natineanina, ary nonina tamin’ny tanànany avy i Israely rehetra.


Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»


Nivadi-po terỳ aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?»


Fa i Iaveh nanangana an’i Siôna indray, niseho tamin’ny voninahiny Izy;


Manangana an’i Jerosalema indray i Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin’i Israely.


Aoka hidera Azy ny tany aman-danitra, mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!


Fa hamonjy an’i Siôna Andriamanitra sady hanangana ny tanànan’i Jodà, dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony;


Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.


Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»


Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?


Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.


Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;


Miaraha mihoby an-kafalina, ry Jerosalema rava! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an’i Jerosalema.


Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.


toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.


Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.


Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho, fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa.


Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny; hamboatra ny tanàna simba, mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.


ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»


Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.»


Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.


Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»


Hovidin’ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombokase sy hangalana vavolombelona eo amin’ny tanin’i Benjamina, sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema sy eo amin’ny tanànan’i Jodà, eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy ny tanànan’i Sefelah, ary amin’ny tanànan’i Negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin’i Iaveh. -


Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’i Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.


Hohamaroiko ny olona eo aminareo, dia ny taranak’i Israely rehetra rehetra; ny tanàna, honenana; ary ny efa rava, haorina indray.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ianao va no nolazaiko tamin’ny andro fahiny, tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, ny mpaminanin’i Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin’izany andro izany, ny amin’ny hampiakarako anao hamely azy ireo?


Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.


Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho - teny marin’i Iaveh.


Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.


Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»


fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.


Dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra