Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 29:7 - Baiboly Katolika

7 Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’NY TOMPO ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’NY TOMPO ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 29:7
12 Rohy Ifampitohizana  

mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.


Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’ny momba ny tranon’ny Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.


Manaova fanirian-tsoa ho an’i Jerosalema: ho sambatra anie ilay tia anao!


Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»


Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.


Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.


Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra