Ngeza be dia ngeza ny fijalian’i Jesosy sy ny henatra nentiny. Tsy hay lazaina. Kanefa, tao anatin’izany fahoriany izany, dia nisy zavatra mahagaga nitranga nampiseho fa tsy olombelona tsotra Izy. Ohatra, ny teniny hoe: “Ray ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy rehefa avy nijaly mafy. Ny sazy izay nentiny ho antsika dia tena mafy tokoa, nahatonga ratra lalina sy fandatsahan-drà be. Io rà io no nanavotra antsika tamin’ny ota.
Araka ny Filazantsara, dia maty ora vitsy taorian’ny nanomboana Azy, ary mba hahazoana antoka ny fahafatesany dia notsobohan’ny miaramila lefona ny lanivoany. Rehefa mieritreritra izany rehetra izany aho, dia tena manohina ny foko izany.
Tsara raha mitadidy izany foana isika ary miezaka ny hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, ho fankasitrahana ny sorona nataon’i Jesosy izay nanavotra antsika tamin’ny fahaverezana mandrakizay izay mendrika antsika. Tokony hivavaka aminy sy hisaotra Azy noho ny fitiavany tsy manam-petra isika.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo.
«Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak’olona hatolotra hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.»
Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.
fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesoa hoe: «Elia, Elia lamma sabaktany!» izany hoe «Ry Andriamanitro! Ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?»
Ilay kapiteny nitsangana teo tandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany Izy, dia nanao hoe: «Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.»
Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa;
dia tonga i Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny vatan’i Jesoa.
Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.»
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
«Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty, ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»
ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.» Dia nalahelo mafy izy ireo. Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: «Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?»
Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.
Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: «Vatako ity izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.» ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»
Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: «Raiko! apetrako ao an-tananao ny fanahiko.» Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
‹Tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.› »
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko.»
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Ary Izaho rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.» (Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany).
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
nanao hoe: «Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.»
nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina. Nony hitan’i Jesoa ny ireniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny: «Ravehivavy, indro ny zanakao.» Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: «Indro ny reninao.» Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.
ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitanany volotara ny tanany ankavanana; raha efa izany dia nandohalika anila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: «Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.»
Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: «Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko»;
Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy, sy ireo mpangalatra ireo, ny iray moa teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe: «Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.» Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka: «Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.» Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe: «Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika; fa ny Azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.» Dia hoy izy tamin’i Jesoa: «Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao.» Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.»
Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza izy ireo hoe: «Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokàntsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.» Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila.
Tamin’izay dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: «Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy, ka ahoana indray no hilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra: ahoana no hevitrareo?» Ary ireo namaly ka nanao hoe: «Mendrika ho faty Izy.»
Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona; ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy». Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» «Voalazanao,» hoy i Jesoa taminy; fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy no tsy novaliany kely akory, ka hoy i Pilaty taminy: «Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?» Fa tsy namaly Izy na dia indraimbava aza, ka gaga dia gaga ny governora. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka. Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy, ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?» satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa. Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.» ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pôntsy Pilaty governora.
Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona. I Piera izany nanaraka teny lavidavitra eny ihany.
Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka: «Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.»
Nasain’i Pilaty novorina ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ary ny vahoaka, dia nilazany hoe: «Nentinareo tatỳ io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho atỳ amintsika Izy; ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.»
Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe: «Raha mandefa Io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.»
Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo;
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very, ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy,
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika.
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
Koa noho i Kristy efa nijaly tamin’ny nofo ho antsika àry, dia raiso hofidina izao hevitra izao: izay nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny ota.
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasy hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa.
sady nampiany hoe: «Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»
Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany: «Tsy mahalala na inona na inona ianareo, Ary tian’i Jesoa i Marta sy i Maria rahavaviny ary i Lazara. na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny Lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo.» Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa; ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa, ho antokony iray. Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.
I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: «Iza no tadiavinareo?» Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: «Tsy Izy, fa i Barabasy.» Kanefa jiolahy i Barabasy. Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «I Jesoa avy any Nazareta.» Ka hoy i Jesoa taminy: «Izaho no izy.» Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy. Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianòtra izy ireo, ka niankarapoka tamin’ny tany.
Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»
Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
Fa noho ny maha mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany,
Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty; ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»