Ao amin'ny Hebreo, aseho amintsika i Jesoa, Mpisoronabe tonga lafatra, mihoatra noho izay rehetra efa nisy. Ny asan'ny mpisoronabe dia ny mpanelanelana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona, manolotra fanatitra sy soraty noho ny fahotan'ny vahoaka.
Fa i Jesoa Kristy kosa dia mihoatra lavitra noho izany asa vetivety sy voafetra izany, satria Izy no tonga fanatitra tonga lafatra ho an'ny fahotantsika tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijaliana. Ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty no nanokatra ny lalana ho amin'ny fampihavanana feno sy mandrakizay amin'Andriamanitra.
Mpisoronabe mivavaka ho antsika eo anatrehan'ny Ray i Jesoa. Fantany ny fahalementsika sy ny tolontsika satria niainany koa ny fiainan'olombelona tamin'ny fahafenoany. Tsy manam-pahataperana ny fangorahany sy ny famindram-pony, ary vonona foana hamela heloka sy hanome antsika ny fitiavany tsy misy fepetra Izy.
Amin'ny alalan'ny sorona nataony no anomezan'i Jesoa Kristy antsika ny fahasoavana hahazoana famonjena sy fanafahana amin'ny fanandevozan'ny ota.
Anisan'ny asan'ny mpisoronabe koa ny mampianatra sy mitarika ny vahoaka. Nahatanteraka izany andraikitra izany tamin'ny fomba niavaka i Jesoa Kristy, namela fampianarana manan-danja izay mitondra antsika ho amin'ny fiainana feno sy fifandraisana akaiky amin'Andriamanitra. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, ary tonga modely ho antsika mba hiainantsika araka ny foto-kevitry ny Fanjakan'ny Lanitra.
sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rehefa natao mpisorom-be mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Efa nianianan’ny Tompo ka tsy hanenenany izao: Mpisorona mandrakizay Ianao, araka ny fomban’i Melkisedeka.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rehefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an’i Melkisedeka:
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;
Fa rehefa mety ho mpisorom-be ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorom-be, fa Ilay nanao taminy hoe: Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany; sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo Indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, satria mbola tao an-kibon’io razana io izy, tamin’ny nitsenan’i Melkisedeka an’i Abrahama. Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna? Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovàna koa ny Lalàna. Ary ny olona antsoina amin’izany teny izany, dia avy amin’ny foko hafa tsy mbola nisy nanao raharaha tamin’ny ôtely, satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika. Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rehefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an’i Melkisedeka: tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana, fa toy izao no anambarana azy: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka. Toy izany àry no nandravana ny didy taloha, noho izy nalemy sy tsy nahasoa, - satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirana fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra. notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; mpanjakan’ny fahamarinana no hevitr’anarany voalohany, vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe mpanjakan’ny fiadanana; Tsy izany ihany, fa satria tamim-pianianana koa no nanaovana izany, ny mpisorona hafa moa dia notendrena tsy amim-pianianana ho mpisorona, fa ity kosa tamim-pianianan’ilay nanao taminy hoe: Ny Tompo efa nianiana, ka tsy hanenina: Ianao no Mpisorona mandrakizay, arakaraka izany, hoy aho, no nanaovana an’i Jesoa ho Mpiantoka fanekena ambony kokoa. Ary ireny, dia maro ny azy no natao mpisorona, satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra; fa Izy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandimbiasana. Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorom-be: fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay. tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna?
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rehefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an’i Melkisedeka: tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana, fa toy izao no anambarana azy: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
fa noho ny Tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.
arakaraka izany, hoy aho, no nanaovana an’i Jesoa ho Mpiantoka fanekena ambony kokoa. Ary ireny, dia maro ny azy no natao mpisorona, satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra; fa Izy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandimbiasana.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.
Fa ny Azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina, Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony,
Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.
«Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan’ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy. Hanao ny fanonerana ho an’ny fitoerana masin’ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an’ny trano lay fihaonana sy ho an’ny ôtely; hanao ny fanonerana ho an’ny mpisorona, ary ho an’ny vahoakan’ny fiangonana rehetra. Lalàna tsy tapaka ho anareo izao: hatao indray mandeha isan-taona ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely noho ny fahotany.» Dia nataon’ny olona izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
«Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorom-be: fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Satria ny mpisorom-be rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.
ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.
Satria izay biby entin’ny mpisorom-be ao amin’ny fitoerana masina ny rany, hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby ny fatiny. Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.
Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary ny Ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy,
no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka ka izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana,
Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo! dia ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao, no vao naseho, noho ny aminareo.
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.
Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra, fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin’ny namany hoe: Mahalalà an’Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany. Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy. mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.
Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.
Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: «Vatako ity izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.» ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Eo amin’ny tandrok’io ôtely io no hanaovan’i Aarôna ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran’ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin’i Iaveh io ôtely io.»
Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.
fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;
Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.
Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.