Maha-olona antsika ny fahalemena, tsy azo ialàna izany. Mandritra ny fiainantsika, samy miatrika fitsapana sy zava-tsarotra mampiseho ny fahalementsika isika rehetra. Kanefa, na dia matetika aza heverina ho sakana ny fahalemena, ny marina dia mety ho lasa fahafahana lehibe izy io mba hampitombo sy hampatanjaka antsika amin'ny herin'Andriamanitra.
Ao amin'ny Baiboly dia maro ireo andinin-tsoratra masina miresaka momba ny fahalemena sy ny fomba ampiasan'Andriamanitra azy io mba hanehoany ny heriny. Ohatra mazava amin'izany ny Apostoly Paoly, izay niaina fahalemena nantsoiny hoe "tsilo ao amin'ny nofo". Na dia nangataka tamin'Andriamanitra intelo aza izy mba hanesorana izany, dia izao no valiny azony: "Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena" (2 Korintiana 12:9).
Tadidio fa na dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho tsy afa-manoatra sy kivy aza matetika ny fahalemena, dia amin'izany fotoana izany no ahafahantsika miaina ny herin'Andriamanitra mpanova, satria ampy ny fahasoavany handresena ny fetra ananantsika sy hampatanjaka antsika amin'ny fahalementsika. Ao amin'ny fahalementsika no isehoan'ny heriny mazava kokoa.
Zava-dehibe ny miaiky ny fahalemena ananantsika, satria rehefa manaiky izany isika, dia mahatonga antsika hahatsapa ny filàntsika an'Andriamanitra izany ary manosika antsika hikatsaka ny heriny. Tsy tokony hoheverintsika ho lesoka ny fahalemena, fa ho toy ny fahafahana ho an'ny fitomboana ara-panahy sy hiainana ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety ritra eo amin'ny fiainantsika.
Matokia, tohizo ny dia, azonao atao ny zava-drehetra ao amin'i Kristy, satria Izy no mampatanjaka anao!
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy i Iaveh ihany? ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana;
tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra.
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason’i Kristy no namelako azy,
Fa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana aza Izy noho ny fahalemena, dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia malemy ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa; ka hahery ao aminareo, noho ny herin’Andriamanitra.
Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: «Raha tsy forana araka ny Lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy.»
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho: simban’alahelo ny masoko, mbamin’ny fanahiko sy ny kiboko.
Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo. Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
fa raha lavo izy ireo, azon’ny anankiray arenina ny namany. Fa loza kosa no mahazo ny manirery, ka lavo tsy misy namana hanarina azy!
Fony aho vao nitory voalohany ny Evanjely tany aminareo, dia hitanareo ny halemen’ny nofoko, ary tonga fakam-panahy ho anareo izany;
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavana Ianao: trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
ny amin’io olona io no hireharehako; fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako; ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.
Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!» ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona? I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo! Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.