Ry sakaiza, fantatro fa misy fotoana mahatsiaro alahelo sy mavesatra isika. Nefa eritrereto ange kosa hoe faly erỳ ny razantsika fahiny rehefa nanao fety. Tahaka izany koa, afaka mifaly isika satria efa fantatsika ny sitrapon'Andriamanitra, tsara sady sitrak' Andriamanitra ary mahatanteraka antsika izany. Tsy fifaliana ara-nofo na ara-pihetseham-po fotsiny ihany akory fa fifaliana laloka noho ny famonjena antsika.
Koa avelao ilay alahelo sy fahorian-tsaina. Esory ao am-ponao ny lolompo sy ny alahelo. Avelao ny fifalian'i Jesoa, izay maharitra mandrakizay, hameno anao. Amin'izay dia ho hitanao fa betsaka ny antony tokony hifaliana fa tsy ny halahelo intsony.
Tadidio fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao ho anao. Koa mifalia ary manehoa fitiavana eo anatrehany. Matokia fa ho levona ny rahona maizina, ary Andriamanitra hampiseho avana mahafinaritra ho anao.
Novàny ho dihy ny fitarainantsika taloha. Nomeny fifaliana isika. Marina fa tsy mora foana ny fiainana, nefa ao amin'Andriamanitra no misy ny fiadanana. Fantatsika fa ny zavatra rehetra ataony dia hihinanantsika soa.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Fifaliana ho an’ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin’izay antonona azy.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.
Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny ôliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony. Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny; tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Afafy ho an’ny marina ny fahazavana, ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana. Mifalia amin’i Iaveh, ry olo-marina, ary manomeza voninahitra ny Anarany masina.
Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.» Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa i Iaveh; ka revon-kafaliana isika.
Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.
Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany, satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.» Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»
Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany, dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko.
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ianareo no itokiako indrindra, ianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin’ny fahorianay rehetra aza.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao. Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.» Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.» Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.
Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo:
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,
Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria, nitantara ny nibebahan’ny Jentily, ka nahafaly indrindra ny havana rehetra iray finoana izany.
ka ho tonga an-kafaliana any aminareo, raha sitrapon’Andriamanitra, sy hiala sasatra kely eo afovoanareo.
Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Koa amin’izany, ry havako malala, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatroboninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany, ry malalako.
Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;
Fa iza moa no fanantenanay, sy fifaliana aman-tsatroboninahitray? Tsy ianareo va izany, eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika amin’ny andro hahatongavany? fa nony avy nampahorîna sy nalàm-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatỳ aminareo, tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka. Eny, tsy iza fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Faly loatra aho, fa nisy havana iray finoana tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana. Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany,