Matetika isika dia revotry ny fiaraha-monina manosika antsika hanangona harena sy fananana eto an-tany. Fa efa mba nieritreritra ve ianao ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fanangonana harena any an-danitra, fa tsy mifantoka fotsiny amin'izay ananantsika eto an-tany?
Ny fanangonana harena any an-danitra dia midika hoe mifantoka amin'ny asa soa ho an'ny hafa sy ny fiaraha-monina, ary koa ny fanamafisana ny finoantsika araka ny tenin'Andriamanitra. Tsy toy ny harena eto an-tany izay mety ho levona sy ho very, ny harena any an-danitra kosa maharitra mandrakizay.
Raha fintinina, ny fanangonana harena any an-danitra dia ny fiainana araka ny sitin'Andriamanitra, ary ny fanentanana ny fotoana sy ny hery amin'ny asa tsara izay haharitra.
Ankoatra ny fikatsahana ny fihavanana sy ny fanambinana eto amin'ity izao tontolo izao ity, dia zava-dehibe ny mitadidy ny maha-zava-dehibe ny fanorenana lova tsara sy feno fitiavana ho an'ny hafa. Izany no fomba hahitantsika ny tena harena sy ny dikan'ny fiainana.
Matio 6:20 (DIEM): Fa tehirizo any an-danitra ny harenao, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra tonga mihady na mangalatra.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
«Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba;
«Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa.»
Nony nandre izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy.»
Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy. Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.
Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika; ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra, dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.
dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ny tranon’ny hendry misy rakitra sarobidy sy diloilo; fa ny adala kosa mikepoka ireny.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa. Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Novohan’i Iaveh ny firaketam-piadiany; ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany; fa ananan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, raharaha ny tanin’ny Kaldeanina.
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Ny olona tsara fanahy mamoaka zava-tsoa avy amin’ny rakitra soa ao am-pony; ary ny olona ratsy fanahy mamoaka zava-dratsy avy amin’ny rakitra ratsy ao am-pony.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
nataony harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta ny fijalian’i Kristy, satria nijery ny valisoa izy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy, Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe: «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!» Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany; sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy. Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany. Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy; ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana: maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»
dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Ary hoy Izy tamin’ny olona: «Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.»
Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.
Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.»
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny?
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono. Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy. Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka. Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.
Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.»
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsaràny;. dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.
Ho solon’ny henatrareo taloha, dia anjara roa no horaisinareo, ary ho solon’ny fahafaham-baraka, dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Ary izay mandresy no hanana ireo zavatra ireo, ka Izaho ho Andriamaniny, izy ho zanako.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?
«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao; rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina; ary ny lovany haharitra mandrakizay. Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany; ary ho voky amin’ny taona mosarena.