Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy. Fa ny Andriamanitsika dia afo mandevona.
Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!
Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra: Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny, fa izany tokana no izy amin’ny olombelona;
I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo, Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no loharanon’aina, mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.
Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra; ary amin’ny fitandremanao ny didin’i Iaveh sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao?
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana, ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
Ianareo ankasitrahiko toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rehefa nentiko nivoaka avy any amin’ny firenena sy novoriko avy any amin’ny tany nanelezana anareo; ary ianareo no hanamasinako ny Tenako eo imason’ny firenena.
Tovy amin’ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an’ny olona matahotra Anao.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Tsy ny herin’ny soavaly no ankasitrahiny, na ny tongotr’olombelona no mahafinaritra Azy, fa ny fankasitrahan’i Iaveh dia ireo matahotra Azy, ireo manantena ny hatsaram-pony.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, maha lava andro, fa ny taonan’ny ratsy fanahy kosa hohafohezina.
Aleloia! Sitrako ny midera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra, eo amin’ny fivorian’ny olo-marina sy ao amin’ny fiangonana.
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.
«Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;
Fantatro fa efa nofantenan’i Iaveh ho azy ny olon-tia vavaka iray; ka mihaino i Iaveh raha miantso Azy aho
Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin’izany, fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.
Nanatitra ny famonjena ho an’ny vahoakany Izy, ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany.
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Aoka hatahotra an’i Iaveh ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy, na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoina hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahiniana etỳ,
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.
Marina ihany izany; ireny dia notapahina noho ny tsy finoany, fa ianao kosa natsofoka noho ny finoanao; ka aza miavonavona, fa matahora.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo...
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!