Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.
Nomery 4:18 - DIEM PROTESTANTA –Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fianakavian’ny Kehatita izay naman’ny levita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita. Baiboly Katolika Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita. Baiboly Protestanta Malagasy Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ny Kehatita tsy ho amin’ny Levita: Malagasy Bible Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita: La Bible en Malgache Ataovy izay tsy hahafongotra ny fianakavian’ny Kehatita izay naman’ny levita*. |
Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.
Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»
Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.
Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.
Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra.
–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,
Hotanterahinareo ao amin’ny Toeramasina sy eo amin’ny alitara ny asa fanompoanareo mba tsy hirehetan’ny fahatezerako intsony amin’ny Israelita.
I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita.
Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.
Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.