Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:27 - DIEM PROTESTANTA

27 I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 I Kehata no razan’ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebrônita sy ny Hozielita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary avy tamin’i Kehata ny fokon’ny Amramita sy ny fokon’ny Jizarita sy ny fokon’ny Hebronita ary ny fokon’ny Ozielita; ireo no fokon’ny Kehatita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:27
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.


Ho an’ny Hamramita sy Jitseharita ary Hebrônita sy Hozielita,


Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Hasabià sy ny havany, izay nisy olom-banona 1 700 lahy, no mpifehy ny faritr’i Israely andrefan’i Jôrdàna amin’ny raharaha rehetra momba ny TOMPO sy momba ny fanompoana ny mpanjaka.


Nolazain-dralehilahy tamiko fa ny efitra mitodika mianatsimo dia voatokana ho an’ny mpisorona misahana raharaha momba ny tempoly;


Ary ny anaran’ny zanakalahin’i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan’ny tarika avy aminy.


ny fefilamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin’ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersônita.


Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 8 600. Ireo no mpikarakara ny Fonena-masina.


Eo amin’ny samy Levita, dia ataovy lisitra isan-tarika sy isam-pianakaviana ny taranak’i Kehàta, feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Ny azon’ny taranak’i Kehata sisa kosa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy fokon’i Dana ary antsasa-pokon’i Manase any andrefana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra