Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 16:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:32
21 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao.


dia i Tsefanià zanakalahin’i Tahata sy zafin’i Asiry sy zafiafin’i Abiasafa sy zafin-dohalik’i Kôra


i Meraiôta zanakalahin’i Zerahià, i Amarià zanakalahin’i Meraiôta, i Ahitoba zanakalahin’i Amarià,


Koa nivava ny tany nitelina an’i Datàna sady nanarona ny tarik’i Abirama.


Toy ny hazo tapatapahina sy vakivakîna eny an-tsaha no nanelezana ny taolam-balony, rehefa hitelina azy ny toeran’ny maty.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.


Tononkira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin’i Hemàna zanakalahin’i Zerà.


Vakivaky ny tany ary tena mitresaka; voadona mafy izy ka mihotsaka.


Koa nitanatana vava izaitsizy ny fonenan’ny maty sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy; any no hivarinan’ny olomanga sy ny sarambabem-bahoakan’i Jerosalema miaraka amin’ny tabatabam-pifaliany.


Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna.


Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin’ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin’ny fonenan’ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nandà ny TOMPO ireo olona ireo.


Raha vao tapitra voalazan’i Mosesy avokoa izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany nohitsahin’i Datàna sy i Abirama.


Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.


Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kôra, tamin’ny andro nahafatesan’ny tariny sy nandevonan’ny afo lehilahy 250 izay natao ho ohatra ho an’ny vahoaka sisa.


Kanefa ireo zanakalahin’i Kôra kosa tsy mba maty.


–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.


–Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita.


Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.


Kanjo novonjen’ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan’ny vavan’ilay dràgona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra