Nomery 18:5 - DIEM PROTESTANTA5 Hotanterahinareo ao amin’ny Toeramasina sy eo amin’ny alitara ny asa fanompoanareo mba tsy hirehetan’ny fahatezerako intsony amin’ny Israelita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Dia hotandremanareo ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara raharaha momba ny alitara mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’Israely intsony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Hotanterahinareo ao amin’ny Toeramasina sy eo amin’ny alitara ny asa fanompoanareo mba tsy hirehetan’ny fahatezerako intsony amin’ny Israelita. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny ôtely, mba tsy hisy fahatezerana amin’ny zanak’i Israely intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’Isiraely intsony. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Dia hotandremanareo ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara raharaha momba ny alitara mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’Israely intsony. Jereo ny toko |
I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
«Ireo Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, dia nitandrina kosa ny anjara raharahany momba ny Toeramasina onenako, na dia nivily niala tamiko aza ny Israelita. Noho izany, dia ireo ihany no hahazo manatona hanompo Ahy Tompo sy hanolotra amiko ny sabora sy ny ran’ny sorona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Ary hoy kosa i Mosesy tamin’i Aharôna sy tamin-dry i Elehazara sy i Itamara zanany roa lahy hafa: –Aza avela hirakaraka ny volon-dohanareo ary aza triarina ny fanamianareo, fandrao dia ho faty eo koa ianareo sady hiharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireto Israelita rehetra tafangona. Fa ny mpiray firenena aminareo, izany hoe ny taranak’i Israely rehetra, no aoka hitomany, noho izy roa lahy nofaizin’ny TOMPO tamin’ny afo mandoro.
Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.
Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.