Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Indro efa nofidiko tamin’ny Israelita ny Levita mpiray foko aminareo; koa dia Ahy TOMPO izy ireo ka hatolotro anareo mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary indro Aho efa naka ireo levita rahalahinareo avy tamin’ny Zanak’Israely; omena anareo izy ireo ho fanomezana ho an’NY TOMPO mba hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Indro efa nofidiko tamin’ny Israelita ny Levita mpiray foko aminareo; koa dia Ahy TOMPO izy ireo ka hatolotro anareo mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ny Zanak’Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary indro Aho efa naka ireo levita* rahalahinareo avy tamin’ny Zanak’Israely; omena anareo izy ireo ho fanomezana ho an’NY TOMPO mba hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.


«Indro Aho hanorina ny fanekempihavanako aminareo sy amin’ny taranakareo mandimby anareo,


Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.


Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:


Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.


Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko.


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny andianondriny: ‹Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia.


–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,


satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.


–Atokano ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompin’ny Israelita.


–Asaivo manatona ny fokon’i Levỳ ka apetraho eo ambany fahefàn’i Aharôna mpisorona mba hanampy azy.


Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra