Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ho mpanampy anareo amin’ny fanompoana rehetra sy ny asa hatao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy. Ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia hikambana aminao izy ireo ka hitandrina ny anjara raharaha momba ny tranolay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny tranolay. Tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ho mpanampy anareo amin’ny fanompoana rehetra sy ny asa hatao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy. Ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin’ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia hikambana aminao izy ireo ka hitandrina ny anjara raharaha momba ny tranolay fihaonana*, dia ny fanompoana rehetra momba ny tranolay. Tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny hany hampisahaniko azy dia ny anjara raharahany ao an-tempoly momba ireo fanompoana rehetra sy fanao rehetra ao.»


Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


hanompo anao sy hikarakara ny Tranolay manontolo izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny Toeramasina sy ny alitara fandrao maty na ny tenany na ny tenanareo.


Hotanterahinareo ao amin’ny Toeramasina sy eo amin’ny alitara ny asa fanompoanareo mba tsy hirehetan’ny fahatezerako intsony amin’ny Israelita.


Hatsanganao hitandrina ny asa fisoronana i Aharôna sy ny zanany; fa izay tsy mpisorona mitady hanatona kosa dia hatao maty.


Ary ny anjaran’ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.


Kanefa afaka hanampy ny mpiray foko aminy izy hiambina ny Tranolay fihaonana, na dia tsy hanana asa manokana aza. Izany no hataonao amin’ny Levita momba ny fanompoany.


Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra