Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 26:57 - DIEM PROTESTANTA

Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao no voalamina tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fokony: avy tamin’i Gersona ny fokon’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata ny fokon’ny Kehatita; avy tamin’i Merary ny fokon’ny Merarita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita.

Jereo ny toko



Nomery 26:57
12 Rohy Ifampitohizana  

I Levỳ sy ireo zanany lahy dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merary.


Ny zanakalahin’i Levỳ dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.


I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.


Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.


Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an’isa sy ny foko vitsy an’isa.


–Ataovy ny fanisana ny taranak’i Levỳ isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao.


Ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Levỳ: i Gersôna, i Kehata ary i Merarỳ.