Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Nomery 24:5 - DIEM PROTESTANTA «Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita! Baiboly Katolika Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba! Ary izato fonenanao, ry Israely! Baiboly Protestanta Malagasy Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Isiraely ô! Malagasy Bible Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! La Bible en Malgache Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô! |
Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.
Ianao, rahavako, dia tsara tarehy tahaka ny tanàna Tiritsà sady kanto tahaka an’i Jerosalema ary mahatalanjona toa andian-kintana.
Mandritra ny fito andro, dia Tranotomboka no hilasianareo Israelita teratany rehetra tsy an-kanavaka,
Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza!
Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.
Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery.
Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»
nefa tsy nanaiky hihaino an’i Bilehama Aho, ka voatery nitsodrano anareo i Bilehama ary nafahako tsy ho azon’ny tanan’i Balàka ianareo.