Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:4 - DIEM PROTESTANTA

4 sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 hoy ilay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izay mandre ny tenin’Andriamanitra Sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 hoy ilay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony:

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.


Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»


satria miankina aminao TOMPO ilay mpanjaka ampinganay, miankina aminao izy, ry ilay Masin’i Israely.


Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.


Tamin’izay dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’i Balahama hahita ilay anjelin’ny TOMPO izay nijanona teo amin’ny lalana sady mitana sabatra. Dia niondrika i Balahama ka niankohoka tamin’ny tany.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery


«Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita!


Ary efa noana mafy izy ka te hisakafo; ny olona namboatra sakafo ho azy, izy kosa nisehoam-pahitana mahavariana.


Mbola revo nieritreritra izay tokony ho hevitr’ilay fahitana i Petera no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: –Indreo misy olona telo lahy mitady anao.


–Tafaverina tany Jerosalema aho, ka raha mbola nivavaka tao an-kianjan’ny tempoly dia nisehoam-pahitana.


Nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho tamin’ny andron’ny Tompo, ka nahare feo mahery tao ivohoko, dia feo mahery tahaka ny feon-trompetra


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,


Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan’i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin’ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan’ny olona hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra