Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:24 - DIEM PROTESTANTA

Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tànany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko



Nehemia 9:24
13 Rohy Ifampitohizana  

–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.


Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy.


Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.


ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.


Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.


i Heglôna, i Gezera,


ary i Tiritsà; ka 31 izany no isan’ireo mpanjaka rehetra ireo.


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.


Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran’ny TOMPO tamin’ny Israelita fa tsy nisy latsaka.


Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita.