Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Tamin’izany andro izany no nanetren’Andriamanitra an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Dia naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’Isiraely tamin’izany andro izany Jabina, mpanjakan’i Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:23
10 Rohy Ifampitohizana  

–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.


Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.


Montsaniko ireo ka tsy tafarina ary dia mitsitra ambany tongotro.


Velona ny TOMPO! Isaorana ny Vatolampiko. Hasandratra anie Andriamanitra mpamonjiko!


fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo Izy.


Raha mba nihaino Ahy ny vahoakako, raha mba nanaraka ny torolalako ny Israelita,


Ary rehefa nampaneken’Andriamanitra an’i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an’Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Andriamanitra.


Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,


Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.


Fa nihamafy hatrany ny famelezan’ny Israelita azy ambara-pahafatiny azy mihitsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra