Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary indro, avy i Baraka nanenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka niteny taminy hoe: Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, niampatra teo ny fatin’i Sisera, ary teo amin’ny fihirifany ny tsatòkan-day.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary indro kosa fa nanenjika an’i Sisarà i Baràka ka nivoaka hitsena azy i Jahela, ka nanao taminy hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao.» Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo i Sisarà, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe: Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary indro, avy i Baraka nanenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka niteny taminy hoe: Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, niampatra teo ny fatin’i Sisera, ary teo amin’ny fihirifany ny tsatòkan-day.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:22
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia haveriko ho atỳ aminao ny vahoaka rehetra; satria miankina amin’ny fahazoana io lehilahy tadiavinao io ny hiverenan’ny besinimaro aminao ka hiadanan’ny vahoaka rehetra.


Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.


Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra