Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:1 - DIEM PROTESTANTA

Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy niaraka tamin’i Jesoa: I Seraià sy i Jeremià ary i Hezrà,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny mpisorona sy ny levita izay niara-niakatra tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa dia i Seraia, i Jeremia, i Ezra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy niaraka tamin’i Jesoa: I Seraià sy i Jeremià ary i Hezrà,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao no mpisorona sy Levita niara-niverina tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Josoe: I Saraiasa, i Jeremia, i Esdrasa,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny mpisorona sy ny levita* izay niara-niakatra tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa dia i Seraia, i Jeremia, i Ezra,

Jereo ny toko



Nehemia 12:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.


Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;


Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ.


Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.


Tamin’ny taona fahafito nanjakàn’i Artakserksesa no nisy Israelita niverina tany Jerosalema, dia mpisorona sy levita mbamina mpihira sy mpiandry varavarana ary mpanampy ny levita.


Tamin’ireo levita, dia nisy ankolafiny tao Joda lasa nankany Benjamîna.


I Jesoa no ray niteraka an’i Jôiakima; i Jôiakima no ray niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba no ray niteraka an’i Jôiadà;


i Amarià sy i Malòka ary i Hatosy,


ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Hazarià, i Rahamià, i Nahamany, i Môrdôkay, i Bilsana, i Mispereta, i Bigvay, i Nehoma, ary i Bahanà. Izao kosa ny isan’ireo vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:


I Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky mbamin’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain’i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan’ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.


Dia notairin’ny TOMPO ny risi-pon’i Zerobabela governoran’i Joda sy ny an’i Josoa mpisorombe ary ny an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon’ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamaniny,


Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky ary ho an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain’ny Tompo nambarany hoe:


Ary hakànao volafotsy sy volamena izany, dia hanaovanao satroboninahitra ka hapetrakao eo an-dohan’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky;